Thursday 28 February 2008

Motera Pantone


Ohatra ny mahaliana io karazana motera iray io, tsy karazany moa izany fa motera à explosion mahazatra ihany no asiana fanovana tsotsotra. Ary isika gasy mihitsy no mety ho liana aminy manokana ... efa noresahan'ny namana tao amin'ny forum koa.


Miracle mônami ?

Ny motera pantone dia :
- ekonomika : mampihena ny fandaniana solika. Motera mandeha amin'ny rano hono, rano mifangaro solika no tena ampiasainy.
- manatsara ny performances-n'ny motera
- ekolojika : mampihena ny fandotoana tontolo iainana (araka ny lamaody)
- mora : tsotra be ny principe-ny, afaka vitan'ny garazy madinika mora foana
- tsy manavaka karazan-tsolika : na lasantsy na gasoil na hafa. Misy milaza aza fa afaka mihodina amin'ny petrole, asidra-na batery, menaka vidanzy sns ... izay mety ho combustible liquide rehetra ilay izy.

Inona no ampiasana azy ?

Ny karazana motera à explosion rehetra
- traktera na karazana fitaovam-pambolena
- groupe electrogene
- fiarakodia
- sns ... Jereo amin'ny rohy etsy ambany

Maninona anefa no tsy vokarin'ny orinasa mpanao fiara izy io ?

Ireny orinasa ireny, noho ny antony maro, dia tsy afaka mamoaka zavatra eo amin'ny tsena kanefa tsy voazava sy voaporofo ara-tsiansa ny fandehany. Ny motera pantone manko mbola misy tsy mazava mihitsy ny fiasany na dia hita aza fa mandeha tokoa ilay izy. Betsaka ny fanazavana entin'ny olona saingy tsy misy tena rigueur tsara daholo.

Etsy an-daniny koa, misy resaka politika sy ekonomika lazain'ny sasany : fidiram-bolam-panjakana, ekonomia miankina amin'ny solitany, sns ...

Dia ahoana izany isika ?

Ahoantsika inona loatra moa aloha izay fanazavana ara-tsiantifika ? (misy ho tezitra amiko ve am'zany? :b). Raha ohatra ka ahazoana vokatra tsara ilay izy, maninona moa raha ampiharina ... atomboka amin'ireny fiara efa kadraoka ireny ?
Rehefa tonga ny fanazavana ara-tsiantifika, raisina an-tanan-droa hahafahana manao optimization hanatsarana azy.

Rohy mahaliana :

- video iray mandresy lahatra mampi-te hanandrana azy : Jereo eto , Jereo eto
- wikipedia : Jereo eto
- ohatra iray
- ohatra hafa, hafa koa misy ny fanaovan-dry zareo azy


Hevitra

  1. 0pissoa 06/12,2007 | 22:02

    Mety ho azo ampiasaina ihany marina na dia tsisy porofo tena matotra be ara-tsiantifika aza fa experimental fotsiny. Na efa hisy porofo koa aza anie haintsika olombelona foana ny manao accidents be dia be amin'ny fitaovana isan-karazany e, lol.



  2. 1lapino 06/15,2007 | 16:26

    Ny fanazavana ara-tsiantifika mety misy ihany any angamba, fa ny MIT izao efa namoaka an'izany plasmatron, tsy dia mifankaiza amin'io pantone io ny fiasany. Asa raha misy afaka mandalina kokoa.

    Ilay resaka accidents indray, ny an'ny assurances resaka vola no olany: mila expertise handreseny amin'ny tribonaly izy.




Hametraka hevitra

Copyright © 2005 lapino - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS