Tuesday 26 February 2008

Ny mainty no matsiro ?

Arahabaina nahatratra ny taona daholo aloha isika rehetra e!

Hevitro mikasika an'ilay resaka ary hoe "Iza no matsiro" ity, fa mba ataoko amin'ny bilaogy indray. Hevitra mandalo fotsiny io, tsy itompoako teny fantatra an! Fa tairo ny tsikera ary ;)


Efa faheno matetika angamba fa be zavatra ny bandy mainty hoditra, na ireo hatsikana isan-karazany fotsiny aza dia ahatarafana an'izay. Fandre koa hoe ny sipa mainty hoditra dia tsara entana sy mahay manao azy. Ohatra ny hoe zany hoe rehefa fotsy dia matsatso (ohatra ny akoho sy kisoa ihany, matsatso fa mora masaka :-P). Tsy misy tarehimarika statistika hanehoana an'izay fa dia raisina hoe izay izany aloha e.

Ilay teoria momba ny fivoarana (evolution) no mety azo isintonana hanazavana an'io toe-javatra io.
- samy mikendry ny hampananahana ny gene-ny daholo ny zava-manan'aina (auto-preservation)
- samy mikendry ny hanatsara ny tamingany koa
- ifaninanana ny ressources rehetra
- izay tsy mahatanty ny conditions dia ringana, fa izay mifanaraka amin'ny conditions

Ny "conditions" sy ny "ressources" anefa no parametre miova arakaraka ny toerana misy ny mainty sy ny fotsy hoditra:

- Ny mainty dia saika miaina amin'ny ilabolantany atsimo. Saika tany mafana mahazo masoandro tsara, toetr'andro tropikaly, tsara ho an'ny fiainana, tsara ho an'ny reproduction-ny ankabeazan'ny zava-manan'aina. Tontolo mahafinaritra, paradisa kely izany hatrizay no niainan'ny mainty. Hany ka tsy ilaina ny mivaky loha firy amin'izay hanina hohanina, ady amin'ny hatsiaka, sns ... anefa tsara ho an'ny fananahana ny andro. Vokatr'izany dia any amin'ny resaka fananahana no lasa "critere determinant" amin'ny lalan'ilay evolution.

- Ny fotsy indray dia saika miaina amin'ny ilabolantany avaratra. Ratsy ny toetr'andro "temperé", indrindra ny fotoana mangatsiaka. Mifandila amin'ny conditions tsara ho an'ny zava-manan'aina ilay izy, hany ka mametraka olana maro. Efa eo aloha ny risika hofatin'ny hatsiaka, fa eo koa ny fifaninanana henjana amin'ireo ressources feran'ny toetr'andro koa; be izany ny ady. Ho an'ny fotsy izany, ny "survie" no lasa "critere determinant" amin'ny lalan'ilay evolution.

Zavatra iray tsara horesahana kely koa : ny toetran'ny lahy sy ny vavy amin'ny fananahana dia izao:
- ny lahy dia manana tsirin'aina maro be, aman-tapitrisany isaky ny mandeha. Noho izany izy dia mitady hananaka amin'ny vehivavy be indrindra possible.
- ny vavy indray tsy manana afa-tsy ovule iray isam-bolana. Noho ny hasarobidin'iny dia fidiany tsara izay lahy hananahany.

Ny vokatr'izany rehetra izany dia izao :

- ny tany amin'ny fotsy dia maty ny lahy izay resy an'ady, sy izay tsy mahatanty toetr'andro. Izay mafy be sy fetsifetsy marani-tsaina sisa izany no miangana. Ankoatra an'izay ny safidin'ny vehivavy dia miantefa any amin'izay mety ho afaka hampitohy ny fiainan'ny gene-ny ao anatin'ny fiainana mafy (efa ela ny vehivavy no materialista sy opportuniste sns @ fifidianana lehilahy ). Manampy trotraka moa ny didin'ny be saina sy be sandry ataon'ireo izay mahery ireo, ka amboarin-dry zalahy daholo ny sipa @ tanàna, na kely zavatra sy tsy mahavita mampirevy an'ilay sipa aza ry zalahy. Tsy ny sex no nitondra ny "selection naturelle", fa ny herim-batana avy eo nifindra tany amin'ny herin-tsaina.

- ny tany amin'ny mainty indray, na resy an'ady aza dia misy hivelomana foana any amin'ny tany hilefana any; ary tsy nisy matin'ny toetr'andro sy tsy fahampian-tsakafo izany. Ary satria tsy olana ny survie, dia niantefa tany amin'izay tsara vatana sy "matsiro" ny safidin'izay hananahana. Rehefa paradisa kely manko no iainana dia izay mahafinaritra no katsahina, izay mahafinaritra ny maso, ny sofina, sy ny nofo. Tsy dia nilaina ny haranitan-tsaina mba hahafahana mivelona, fa ny resaka "physique" no lasa nitondra ny "selection naturelle"

Ohatrohatra an'izay izany no niainan'ny olona nandritra ny aman'arivon-taonany dia izao no vokany. Samy nivoatra tany amin'ny taniny tany, ka nony nahatratra ny tanin'ny mainty ny herin'ny fotsy dia raikitra ny zava-nisy tamin'ny tantara fantatsika tamin'ireo, ary tonga amin'izao zavatra iainantsika izao. Dia manao constat ny olona fa hoe ambany ny QI an'ny mainty hoditra, saingy izy mahery raha resaka fananahana.

Efa mivadika anefa izao ny rasa, ka ny fotsy indray no miadam-piainana sy toa monina amina paradisa kely. Mbola tsy very anefa ny "inertie"-n'ilay fivoarany amin'izao. Fa ny mainty indray no miaina fiainana sarotra. Tsy ampy angamba ny fotoana hiainantsika hahafahana mahita ny taonarivo vitsivitsy/maromaro any aoriana, fa dia alaivo sary an-tsaina ny extrapolation-ny.

Ny zavatra azo tsoahina dia hoe :
* Fiainana sarotra => Man power (mangina ny vehivavy fa vola baoritra) <=> ady sy fandrosoana
* Fiainana mora => Woman power <=> fahalemana sy vody (tandremo sao misy tezitra an!)

Dia aleo faranako amin'ny tononkiran'i Samoela :
"Aza asiana fanazavana ara-tsiantifika e
Efa fantatro ny toetranao fa toetran'alika.
"

Dia samy hahatratra ny taona maro mitsingeringerina daholo e!
( Sao dia mba tratrany ihany ary no izy fa ny fotoana ange ka mandeha e ... )


Hevitra

  1. 0lapino 01/10,2007 | 18:54

    Mihomehy kely aho eto mieritreritra ny sinoa :D



  2. 1simplex 01/10,2007 | 18:54

    eka ouz! :)

    Ny tena marina ny fotsy zatra nampiasa saina, contrairement an'ny mainty zatra nampiasa vatana, izay justement noho ilay conditions an'le environements nisy andry lerony. Le izy kou somary manaraka "heredite" ary nihatsara ny race taty aoriana na dia hoe nisy "maillon faibles" tafaporitsaka ihany aza. Mazava hoazy fa ra taranaka be basy ny rainy sy ny reniny poinsa tsy maintsy hoe otr'zay kou izy e. Ho an'ny vehivavy indray tsy dia hoe mifampita fahaizana ny reny sy ny zanaka fa io toy ny expertise rehetra e, refa manao an'le izy matetika enao mahita tsara ny tena fandehany...

    Ny mahagaga anefa ra jerena @ saina tsy miangatra tsy ny tany mila fiezahana ary ve no tena tokony hoe mandeha be ilay resaka firaisana ara-nofo satria iny sisa no mba fialam-boly ananany? jereo anie refa nivadika ny rasa taty aoriana, na efa nihasarotra aza ny fiainana teo @ mainty, na voazanaka ary izy ireo mbola tsy nihena ilay performance! sa ve mila miandry millions d'annees marina ? ra izay ndray anefa dia ilay teoria milaza hoe na sinoa na karana na metisy sinoa sy karana doly ny ol eto ambonin'ny tany no mety hitranga :)

    d ahoana zany ? tokony manao fitahirizana spermes sy ovules dieny zao ny maintihoditra kle ;-)

    ps: d ahoana indray le kozin'i kilomaitre hoe Argentine ony na Brazil no tena misy ny entana? paradoxe :P?



  3. 2lapino 01/11,2007 | 00:16

    Ankoatra ny gene koa, dia eo ny kolin-tsaina :), izay mbola arafitry ny olona arakaraka ny environment koa. Fa io indray aloha mba haingana kokoa ny evolution e. Fa na izany aza, raha ho an'olona monina amin'ny toerana iray, voataiza tamin'ny kolin-tsaina iray, sns ... izany hoe manana eksperiansa mitovitovy habetsaka, dia hita foana ny "longueur d'avance" :) amin'ny fizika e.

    Ny principe zany ho an'ny fanatsarana, dia ny fandringanana an'izay faible rehetra. Fa ny fanontaniana dia hoe: azo afainganina ve ilay processus ? Maninona moa isika raha sadika ko efa sadika ihany ny natiora ? Ohatra hoe izay matsatso dia ajedaka fa sao dia miteraka eo! :-D Sa manjary izay tsy dia misaina firy indray sisa miangana? Sao dia misy espece hafa lasa misaina kokoa indray, ka zay vô tonga eo ny planete des singes kle! Raha ny mifamadika amin'izay anefa, sao dia mahita espece hafa matsiro kokoa indray ry lerony :-D

    Tsisy dikany koa nge zany raha hitahiry gene zany e! Matoa tsinona lany tamingana dia tsy afaka ny ho velona izany. Fa misy zavatra iray koa tsapa amin'ity resaka tamingana ity : fa ny ngeza foana no ripaka voalohany (sa ny sasany kely dia tsy hitan'ny olona?). Am'zao zao ny elefanta sy girafes ary ny rhino, ny gorilles, ny baleines, ny ours sy panda. Fa raha izay dia mety misy valiny ihany izany le hoe: rahoviana ny gasy no hanjaka ohatra ny amerikana amin'izao ? --> rehefa ripaka ny amerikana :D

    Le breziliana sy arzantina indray tsy haiko, fa ndraso kloo za rehefa mankany de hita eo :-P



  4. 3malalatina 01/11,2007 | 05:28

    Ny arzantina klou tsy fantatro fa ny braziliana no afaka hanehoko hevitra. Fa dia tena manaraka io theorie anao momba ny mainty sy ny fotsy. Ny fotsy izay taranaky ny olona mpanjanaka taloha no manana ny harena sy mitantana ny toe-karena rehetra. Ny mainty moa dia mpiasa eny an-tsaha sy mpiandry omby hany ka manao ny didiny be sandry. Tsy mahalana ny resaka ady sy tifitifitra madinidinika ohatry ny @ western ireny indrindra indrindra eny @ faritra avaratra.

    Noho izany toe-javatra izany: fanjakany fotsy sy fahantrany mainty dia be dia be ny insecurite ka na mijanona eny @ feux rouge ary dia mety ho voabahana @ basy. Izay koa no mahatonga ny olona tsotsotra sy travailliste hifidy foana an'i Lula da Silva.



  5. 4lapino 01/11,2007 | 15:31

    malalatina, raha jerena amin'ireny mpandihy samba an-dry zareo ireny, ohatra ny matsiro ihany ny sipa breziliana an! Sady misy choix: misy malesalesa, misy mafonjafonja, misy fisapisaka, misy mibontsimbontsina, ... ;)



  6. 5miangaly 01/13,2007 | 22:13

    ireo amerikana tatsimo ireo anie dia tena mihevitra fa izy ireo no sexy indrindra @ olona eran izay tontolo izao e.



  7. 6karinah 02/02,2007 | 19:06

    de awoana indray lay tenenin'ny olona hoe rehefa mangatsika de mampitombo nyisan-jaza???!!!!!!!!!!!!



  8. 7karinah 02/02,2007 | 19:09

    miangaly> zareo aloh mety hoe sexy,ary marina ihany io, fa matetika ny andry zareo ny lelah bokobokona zany,hihihi, fa fotsy hoditra kou anefa vicieuuuuu an,sady be pervères, hihihi



  9. 8mirindra25 03/15,2007 | 14:48

    Lapino>Betsaka ny miteny hoe ny fotsy hono mtsatso noho izany ny mainty izan ny matsiro sa aona ozy nareo.lapino a mba fantatrao hoe iza mo za? mba devineo oe de valio @ manaraka




Hametraka hevitra

Copyright © 2005 lapino - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS