Mitady sipa/vady
Nampidirin'i lapino :1 Septambra 2006
Hevitra (5) ¦
Verindrohy (trackback) (0) ¦
Ankapobeny
Nahazo mail tany amin'i Yahoo! za omaly, dokam-barotra meetic ilay izy. Tsy ilaiko moa dia nofafako. Androany indray mbola nahazo an'ilay izy ihany aho, dia vao namafa fanindroany indray. Efa be ihany izay ny fahasorenako tamin'ny dokam-barotr'io meetic io hatramin'izay, izao ity izy mi-insiste ao amin'ny mail-ko. Ny meetic moa dia vohikala-na "rencontre" amin'ny aterineto ireny, izany hoe raha tsorina dia fitadiavana sipa/vady.
Fa lasa saina kely za hoe toa ohatra ny mivaro-tsavony no anaovan-dry zalahy an'ity fitadiavana sipa/vady ...
Nijerijery kely ary aho, dia nahita an'ity article ity , manome tarehimarika vitsivitsy momba an'io. Nahavariana kely ahy ny habetsany. Ny site-na rencontre voatokana ho amin'izany fotsiny io an! Fa ankoatra an'ireny anefa mbola betsaka ny site hafa izay matanjaka tokoa amin'ny resaka serasera amin'ny net ity, raha tsy hiteny afa-tsy skyblog na msn fotsiny. Toa ireny aza no be mpitia, ataoko fa mahazo olona kokoa ireny noho ny meetic sy ny tariny. Maimaimpoana tokoa moa ireo (dokam-barotra no mamatsy vola azy), fa tsy andoavam-bola ohatra an'iretsy sasany. Izany hoe mbola be lavitra noho ireo izany ny tarehimarika rehetra ... mbola tsy voaresako ny karazana agences matrimoniales ...
Tarehimarika iray hafa koa, mahalany 5000 euro isan-taona hono ny selibany anglisy iray hitadiavany sipa/vady. Vola anie izany, mbola latsak'izany no takiana hananan'ny mpianatra iray mandritra ny herintaona. Dia lasa saina kely aho hoe, dia sarotra be dia manahoana toy izany tokoa ve ny mitady olona iray e? Fa dia nahoana loatra ary ?!!...
Disoy aho raha diso, fa za mieritreritra fa ny fahalalahana loatra amin'ny resaka sexualité amin'ny kolotsain'ny eoropeana amin'izao no mahatonga an'io. Niala tamin'ilay taloha hoe condition sine qua none amin'ny fanambadiana ny maha-virjiny, dia lasa ohatra ny hoe zava-mahamenatra indray aza io ho an'ny sasany raha vao any amin'ny faha-18 taona fotsiny. Raha 25 taona izany moa ny sipa no mbola virja, dia efa mijery vilana ny fiaraha-monina. Izany "aventure d'une nuit" izany taloha, bandy midegany be ireny no aharenesana an'izany; na mety ho nisy ihany fa tsy dia atao resabe. Aty anefa ilay izy ohatra ny vola madinika ny firesahana azy any amin'ny fahitalavitra, ren-tany ren-danitra, tonga any an-tsofin'ny ankizy dieny madinika. Ny dokam-barotra isan-karazany moa, manenjika eny amin'izay aleha rehetra, na ny tsy sloggy aza, dia misy boridandridana na fihetsika "sexuel" foana ... hitan'ireo izay mbola mandrafitra fisainana koa ...
Asa koa, mety hoe ahalalana ny tsara sy ny ratsy io "liberté sexuelle" io (toy ilay voankazon'i Adama). Avy eo ny bandy moa mitady princesse any anaty donjon ambenana dragona, ny sipa mitady prince charmant. Kanefa rehefa voafetran'ny fahafaha-mitady dia lasa "tsy hita ny tiana fa tiavina izay hita". Atao ahoana fa izay ilay fiaraha-monina e!
Na izany aza ... tena misy ny "perle rare". Asa raha mba misy mieritreritra ihany i Bodivola ao andrefana, ... ![]()
momba ny meetic :
ka nareo angamba nanao inscription tao de lasa tsy avelany 'ko. hihihihi
lasa sarotra ny fitadiavana satria mitady ny fanaperana aminy ny maro. Nefa izy mitady koa aza mba tsy fanaperana! Ary matetika mampihomehy fa mbola mety hisaraka ihany ry zareo afaka taona vitsivitsy. Dia izay no mahatonga ny maro hitady vady aty amin'ny tany an-dalam-pandrosoana mbola tsy latsa-paka loatra amin'ny hoe mora ny misaraka.
Ary izaho koa tsy namaky ny soratrao vao namoaka ilay lahatsoratro hoe nofinofy fahakely hoe rehefa lehibe!
Tahaka izay namaky ity aloha!
Tokinao, tsy nisoratra anarana tany ah ka. Fa i meetic io no pub natetika hitako indrindra tamina dokambarotra popup ireny, sy tamin'ny spam koa (taloha). Amin'izao ohatra ny misy fiaraha-miasa amin'i Yahoo! ry zalahy, toa mitondrda ny Yahoo! rencontre mihitsy. Dia rehefa manao promotion i Yahoo! rencontre dia meetic izay no ao. Mody ohatra ny hoe newsletter, fa spam misaron-tava anefa.
Jentilisa, tena marina izany. Hoy ilay bandy vazaha izay (gasy no vadiny) hoe: "J'ai un collègue qui veut se marier et il ne trouve pas de femme. Ici, c'est difficile de trouver une fille bien ... Je lui ai dit tu vas à Mcar, à Antananarivo, tu sors avec une fille et tu peux la marier sans souci"
Dia io ary fa misy pub meetic ao amin'ny yahoo mail lety e! tsssss
tena tsy vitsy mihintsy ny vehivavy gasy mahita vady vazah amin'io ry zalahy a. 4 na 5 aloha no fantatro e.