Monday 03 March 2008

Asa izany!

Raha efa ampy taona ianao dia ny teny hoe efalehibe no ahafahana manokatra an'ity. Fa izay mbola kely mahereza mihinam-bary kloo

Tiako be ity tononkalo ity, efa ela; tamin'ny fo sy saina madio tokoa no nitiavako azy hatramin'izay. Hay ve moa ka i Dox no nanoratra azy io. Amin'izao ohatra ny mahatsinjo hevitra hafa amin'ilay izy aho, ka vao mainka mahatsara an'ilay tononkalo  

Ny andininy tsirairay toa milaza dingana iray mankany mankany daholo.  Toa voasoritsoritra tsara daholo ny fihetsehampo sy fihetsehambo an'ny mpanoratra (lehilahy) mandra-pahatongany, ka sady mampiasa sarin-teny izy no manao kilalaon-teny izany koa manatsara ilay tononkalo. Ahitana "cohérence" avo lenta mihitsy ny hevitra, ny teny ilazana azy, ary ny fomba ilazany azy, ankoatra ny maha-kanto an'ilay izy. Tsy mahay manadihady an'izy itony amin'ny tokony ho izy loatra aho, fa tsy koi fa tairo ihany e

Asa izany

Tsy dia misy lazaina momba ny lohateny

Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny,
Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga?
Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliany,
Anoloan'ny masonao sy ny lanitra mitranga!

Ny andininy voalohany toa maneho an'ilay topi-maso voalohany. Misy effet-ny tokoa ny jery, ka rehefa tara amin'ilay sipa izay, dia toa any aminy izany no misy an'ilay anjara masoandronao (habakabaka manga). Ohatra ny ahitana zavatra milay be izany any aminy, toa hahatsiarovana ny hamamin'ny aina, toa paradisa (lanitra) tsy haihay izany.

Ny tsikinao no itiavako fivelaram-bonikazo,
Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany?
Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra mivazo,
Anoloan'ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany!

Eto amin'ny andininy faharoa indray dia dingana hafa koa. Miresaka tsiky izy, sady azo raisina ara-bakiteny no mety ahitana hevitra voafonon'ny sarinteny. Ara-bakiteny aloha ny tsikin'ilay tovovavy atao "ianao" eo, toa milaza fa zaka ilay sipa. Fa eo indrindra ilay sarin-teny : na ny tsiky na ny fivelaram-boninkazo dia samy fisokafana mahatonga hatsarana maha-te hi  ho tia. Asa mety ho ny akanjon'ilay sipa no oharina amin'ny voninkazo, na ilay voninkazo kely ary ambany ary, izay sady toy ny raozy no misy molotra koa. Hmmm ... dia nihira ny hafaliany ny fon-drazoky ...

Tia ny voro-mihira aho fa nandre anao nikalo,
Sa ny vorona mikalo ivetsoako anao mandalo,
Nitondra hira tamin'ny fiainako nangina hira taona maro!

Ka toa tsy ilay fo irery no nihira, fa lasa nisy vorona koa! Taitra tao ilay voron-kely angamba, ninaonaona ny takorobabony! Nangina hira taona maro hono ... dray dray! Milay be ilay hoe "ny vorona mikalo no ivetsoako anao mandalo" (sioka ...) ... Miakatra ny mari-pana , manonga dia manonga! Hay tokoa moa ilay mihira efa manisa gadona kle!

Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako:
Hatramin'ny niarahantsika dia mientana ny foko,
Ka mivetso ny fitiavako. O antony, fantaro!


Asa izany, hadino daholo ny rehetra manodidina ... Ilay zavatra vao teo ihany no fantatra, anaovana bilan kely ... Mientana ny fo (miakatra ny tosi-dra), ka mivetso ny fitiavana mamoaka izay ao anaty (navoaka taiza angaha?), mahafinaritra izy izany, ... . Inona ary no antony hofantarina eo? ... Raha miakatra hono ny "niveau d'énergie" an'ilay elektron, dia mi-degôba energie izy hiverenany amin'ny "état fondamental", ary mamirapiratra izy mandritra an'izay mi-gôbs energie izay

Ssss, aoka izay fa aleo za ndeh hatory am'zay kle!  Azo jerena eto ilay tononkalon'i Dox, isaorana an'i pissoa nampiditra azy.


Hevitra

  1. 0pissoa 08/30,2006 | 10:33

    Zah mbola tsy lehibe fa nankato ihany - hihihi :D

    Misy maranitra mihitsy ato izany an ;)



  2. 1lapino 08/30,2006 | 11:26

    Inona zany no alehan-dry aty amin'ny resaka hirahira sy kalokalo aty? Rehefa mbola tsy lehibe dia tsiky ihany dia ampy! ara-bakiteny an!!! 8)

    Ilay firafitry ny fehezan-tenin-drazoky koa manko ohatra ny tsy azoko izany foana, dia io no mahalasa saina tamin'ilay tononkalo. Tena mahery ingahy Dox e!!



  3. 2fraz 08/30,2006 | 12:35

    Nampianarina anay tao an-dakilasy taloha io tononkalo io fa tamin'izany aloha tsy nieritreritra lalina be toy izao ataonareo zao e :)



  4. 3pissoa 08/31,2006 | 09:14

    lapino - ka tsy maninona na mankato aza na tsy efa lehibe satria ny postn'ialahy koa feno "hain-teny" otran'ile tononkalon'i Dox :D



  5. 4lapino 08/31,2006 | 14:15

    fraz, tsy hoe am'zao no misaina lalina, fa tamin'izany no mbola tsy nanan-tsiny angamba :)

    pissoa, tsy ilay maha hain-teny azy ange fa ilay ambadiky ny ridao e! ;)
    Fa za tsy mahay teny zany! :)




Hametraka hevitra

Copyright © 2005 lapino - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS