VO-VO-VO
Nampidirin'i lapino :28 Jolay 2006
Hevitra (5) ¦
Verindrohy (trackback) (0) ¦
Ankapobeny
Inona daholo moa no tena zavatra tadiavin'ny olona isan'andro io? Inona daholo no mahatonga an'ity karazan'ady rehetra etsy sy eroa ity? Inona no mahatonga ny fitiavana sy ny fankahalana? Inona izany no mibaiko ny fiainan'ny olona?
VOLA - VONINAHITRA - VODY
Vola: tsy misy adihevitra ny momba an'iny, fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra hono.
Voninahitra: samy te hasandratra daholo, samy te ho deraina, samy te ho ambony, ... ary indrindra samy te-hanjaka. Manomboka amin'ny resaka tsindry sy ny tsy fahazakana miseho milay amin'ny bandy kley, ka tonga any amin'ny fitia te hanjaka amin'izao tontolo izao. Ilay voninahitra manko no isehoan'ny "pouvoir".
Vody: ilay teny malaza be an'ingahy Freud izay: "tout est relatif au sexe" hono.
Dia aleo aloo za mba hitsiky kely :)
Nampoiziko oe aleo aloo hivovovo le farany :)
Inn koa no dikan'izany hivovovo? Hoe ve hoe raha mivovo dia manao toetran'alika? :O
An3 ka! Fa vo-vo-vo ny lohateny nomen'lah koa :)
sur amin ilay vo farany io ve ianao?
sao mba tokony hoe v-v-v fotsiny (ho an ny lehilahy)dia lasa hoe vehivavy ny farany fa tsy vody akory! ( aza hitako ka misy hiteny hoe "kou mitovy ihany izany !", tttssss...
dia ho an ny vehivavy indray dia v-v-l, asa hoe inona io l farany io indray? samia mandray izay tiany!
;-)
Tô mbola tsy miova ihany ilay vo farany ka. Fa le nataon'i ravakamalala hoe "aza hitako" no aleo mody mba afenina aloo zany! ;)
Asa ny l raisin'i ravakamalala am'zao, fa tsy miverina amin'ny iray @ le resa-bo teo ihany ve? ;)
Pissoa, lohateny io fa tsy fototeny ka! ;)